Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
23 août 2012 4 23 /08 /août /2012 17:56

Tsy mijanona amin’ny fanomezana fanampiana ny fikambanana Fitia fa mijery akaiky ary manara-maso ihany koa ny fitohizan’ny zava-bitany. Hetsika 3 no nitondran’ny fikambanana fanaraha-maso omaly, 22 aogositra 2012:

Les activités et actions de l’Association Fitia n’ont jamais cessé durant ce laps de temps où l’on n’avait que peu entendu parler d’elle. Ainsi, le 22 août 2012, trois grandes actions ont été menées coup sur coup.

* Nanampy tamin’ny fandefasana ireo ankizy manana fahasembanana teo anivon’ny centre Rianala, hanao lasy any Morondava

* Aide à l’envoi en colonie de vacances à Morondava, des enfants handicapés du Centre Rianala

* Nitsidika sy nanara-maso ireo marary 5 teny amin’ny fokontanin’Ambatobe ary nanatitra ireo fanampiana omeny isam-bolana mandritra ny herintaona

* Visite de suivi des cinq personnes atteintes de maladie dans le quartier d’Ambatobe et don des aides mensuelles qui s’étaleront sur une année.

* Nijery akaiky ny voka-tsoa azo sy ny akon’ny fanampiana tamin’ny fianaran’ireo mpianatra ao amin’ny SFF ao Ambohimangakely.

* Suivi et évaluation des impacts lies aux aides scolaires sur les études des élèves de l’EPP d’Ambohimangakely

Association Fitia au Centre Rianala

CLIQUEZ ICI POUR L'ALBUM DE PHOTOGRAPHIES

Indray mandeha na indroa isan-taona no mitondra ireo ankizy, hisitaka kely ny renivohitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Rianala, ivon-toerana mikarakara sy mandray an-tanana ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina, izay efa nitondran’ny fikambanana Fitia fanampiana isan-karazany nandritra ny hetsikin’ny noely. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fialantsasatra any Morondava mandritra ny 10 andro no hotanterahin’izy ireo.

Une à deux fois l’an, les responsables du Centre Rianala -qui s’occupe à plein temps d’enfants handicaps mentaux- envoient les enfants en vacances hors de leur environnement journalier. L’Association Fitia leur avait déjà apporté des cadeaux lors de la Noël 2011. Cette fois-ci, l’Association Fitia va en prendre en charge tous les frais relatifs à leur envoi et leur séjour à Morondava pour une dizaine de jours.

32 ireo ankizy hanao ity fialantsasatra kely ity, ka 16 amin’ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina ary ny 16 ambiny kosa tanora, nirotsaka an-tsitrapo hikarakara sy hanara-maso ary ho naman’ireo ankizy manana fahasembanana ireo.

Ces enfants sont au nombre de 32 dont 16 handicapés mentaux et 16 jeunes volontaires qui encadreront les premiers, durant cette colonie de vacances à Morondava.

Zava-dehibe ho an’ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina ny fikarakarana manokana tahaka izao, ho an’ny fahasalaman’izy ireo, manampy azy koa amin’ny fisokafana ara-tsaina.

Ce changement d’air sera très bénéfique à ces enfants handicapés qui auront l’occasion de se changer les idées en dehors de leur vécu au quotidien et encadrés par des jeunes comme eux.

22 Aogositra 2012. Nitondra fanampiana amin’ny fanatontosana ity fialan-tsasatra any Morondava ity ny fikambanana Fitia, ka nanolotra vary, savony, dentifrice, nanolotra ihany koa, loko sy baolina handanian’izy ireo andro. Tsiahivina fa fangatahana fanampiana tamin’ny fikambanana no nataon’iro tompon’andraikitra ary izao nivaly izao.

22 août 2012. Dans le cadre de cette colonie de vacances à Morondava, les membres de l’Association Fitia sont venus leur apporter du riz, du savon et du dentifrice ainsi que de la peinture à l’eau et de ballons pour meubler de manière ludique leurs journées de vacances. Rappelons que cette forme d’appui de l’Association Fitia émane d’une demande des responsables du Centre Rianala.

Tetsy Amparibe tamin’ny 6 ora maraina no nanainga ho any Morondava izy ireo, ary hiverina ny faha 31 ny volana aogositra folakandro.

C’est ce 23 août 2012 que les 16 enfants et leurs 16 jeunes encadreurs ont quitté le Centre Rianala d’Amparibe. Leur retour de Morondava est prévu pour le 31 août 2012 après-midi.

Association Fitia chez les malades d’Ambatobe

CLIQUEZ ICI POUR L'ALBUM DE PHOTOGRAPHIES

Toy ny fanaony isam-bolana, dia niverina nitsidika ireo tokantrano 4 manana marary, nitondrany fanampiana teo aloha teo ny fikambanana Fitia. Marary monina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe izy ireo ary tokantrano isan’ny tena sahirana eny amin’ity faritra ity. Efa notsidihin’ny filohan’ny fikambanana Fitia ny volana octobre 2011.

Comme tous les mois, les membres de l’Association Fitia sont allés rendre visite à quatre foyers où vivent des personnes atteintes de maladie. Ils y ont apporté leur lot d’aides diverses et diversifiées. Ces malades vivent dans le quartier d’Ambatobe et sont issus des couches défavorisées de la Capitale. Au mois d’Octobre 2011, c’est Mialy Rajoelina, Présidente fondatrice de l’Association Fitia, en personne qui leur avait rendu visite.

Ankoatra ireo fanampiana isan-tsokajiny toa ny fanafody, ny fitaovana sy kojakoja maro ary sakafo sy ny chaises roulantes dia notoloran’ny fikambanana Fitia fanampiana ara-bola mitentina 1 hetsy Ar isam-bolana mandritra ny herintaona ireo marary ireo.

Hormis les aides comme des médicaments, des ustensiles divers, des produits de première nécessité et des chaises roulantes, l’Association Fitia a octroyé à chaque malade une somme de 100.000 Ariary qui leur sera versé tous les mois et pendant une année.

* Isan’ny nahazo fanampiana tamin’izany I Rasoanjanahary Victorine, renim-pianakaviana 61 taona. Marary ny vanintaolany rehetra amin’ny vatany ary tsy ahafahany mihetsika eo am-pandriana izany.

* Parmi ces maladies, Rasoanjanahary Victorine, une mère de 61 ans qui souffre de douleurs articulaires qui la clouent littéralement au lit.

* Voan’ny maladie de Parkinson kosa I Randriananja Désiré, raim-pianakaviana 56 taona. Voatohana ara-tsakafo izy noho ireo fanampiana isan-karazany nentin’ny fikambanana ary tsy tapaka ny fanafody nentiny nitsaboana.

* Randriananja Désiré, lui, est un père de 56 ans atteint de la maladie de Parkinson. Grâce aux aides de l’Association Fitia, il peut avoir une alimentation saine et suivre un traitement médical strict.

* Nampian’ny fikambanana Fitia ihany koa nandritra ny fandalovany voalohany teto Ambatobe I Rambeloson Tahina, tovolahy 25 taona sy ny reniny. Tetik’asa maro no azony natao, tamin’ny alalan’ireo fanampiana ireo, efa salama tsara izy amin’izao fotoana izao, ary efa sitrana ny fery. Efa mianatra ny mamindra tsikelikely ihany koa izy ankehitriny.

* En ce qui concerne Rambeloson Tahina, un jeune home de 25 ans, qui subvient aux besoins de sa mère, leur condition de vie s’est améliorée depuis la première visite de l’Association Fitia. Tahina a pu travailler sur de nombreux projets et, actuellement, les plaies de sa mère sont cicatrisées et elle commence à apprendre à marcher de nouveau.

* Tokantrano iray eny amoron-dalana eny Ambatobe no misy an’I Razafindraibe. Raim-pianakaviana manan-janaka 4 mianadahy. Nanaitra ny fikambanana Fitia manokana ity tokantrano ity. Trano bongo kely no teto teo aloha, amin’izao fotoana izao dia voaloko ary vita simenitra tsara ny trano. Ankoatra izay, afaka ny nanara-maso akaiky ny fahasalamana sy ny fianaran-janany ity raim-pianakaviana ity. Afaka ihany koa nanangana tetikasa hafa, ahafahany mampitombo ny vola miditra ao aminy.

* Razafindraibe est un père de 4 enfants qui vit en bord de rue dans le quartier d’Ambatobe. Mais pouvait-on appeler ce taudis une maison ? De nos jours, après le passage de l’Association Fitia, l’habitation de la famille Razafindraibe a été ravalée de ciment et peinte. Grâce aux aides de l’Association, M. Razafindraibe peut suivre l’état de santé et les études de ses 4 enfants. Mais encore, il a pu réaliser un projet lui permettant d’augmenter ses ressources financières.

Association fitia à l’EPP Ambohimangakely


Nitondra fanampi-panazavana mahakasika ny akon’ireo fanampiana isan-tsokajiny ho an’ireo mpianatra sy ho an’ireo sekoly nataon’ny fikambanana Fitia, ny talen’ny EPP Ambohimangakely. Nitombo ny isan’ireo mpianatra afa-panadinana CEPE tamin’ity taona ity. 52 mantsy izy ireo no afa-panadinana ny taona lasa teo, tamin’ity taona ity dia nahatratra 63 ireo mpianatra afa-panadinana CEPE teto amin’ny EPP Ambohimangakely.

Tsiahivina fa fanampiana tamin’ny endriny maro no natolotry ny fikambanana Fitia teto amin’ity sekoly ity ny faha 3 ny volana octobre 2011. Isan’izany ny fananganana cantine scolaire, hanohanana ara-tsakafo ireo mpianatra. Olana iray lehibe tamin’ireo mpianatra teto mantsy ny tsy fahampiantsakafo ka hanatonga azy ireo ho maro miala an-daharana. Indroa isan-kerinandro no misakafo ao amin’ny cantine scolaire ireo mpianatra 344. Nanolotra ihany koa fitaovam-pianarana ny fikambanana, nanatsara sy nanavao ireo foto-drafitrasa rehetra tao amin’ny sekoly toy ny trano fianarana, ny dabilio sy ny latabatra ary ireo pompes sy toerana fivoahana natao ho manara-penitra. Teo ihany koa ny fanomezana toeram-pilalaovana ho an’ireo ankizy sy ny fampianarana azy ireo hamboly legumes.

Le Directeur de l'EPP d'Ambohimangakely devant la cantine scolaire flambant neuve

Le Directeur de l’EPP d’Ambohimangakely a expliqué de long en large aux élèves et aux enseignants, les impacts des aides de l’Association Fitia. Ainsi, Le taux de réussite au CEPE 2012 a augmenté. Si l’an dernier 52 réussi cet examen, cette année ce sont 63 élèves de l’EPP d’Ambohimangakely qui ont décroché le CEPE.

Rappelons que l’Association Fitia a procédé à l’octroi d’aides très diverses à cette EPP, le 3 octobre 2011. Pour exemple, la construction d’une cantine scolaire pour une alimentation plus équilibrée des élèves. Car, auparavant, la malnutrition avait démotivé nombre d’élèves qui ont préféré déserter l’école. Depuis, les 344 élèves mangent deux fois par jour dans leur cantine scolaire. A part aussi le don de fournitures scolaires, l’Association Fitia a procédé à la réhabilitation des salles de classe dotées de nouveaux bancs et nouvelles tables, à l’installation de pompes à eau et de W.C. aux normes. Il ne faut pas oublier l’aire de jeux et l’apprentissage du plantage de légumes.

Un dossier de Jeannot RAMAMBAZAFY

Photos : Mikakely

Partager cet article
Repost0

commentaires