Overblog Tous les blogs Top blogs Mode, Art & Design Tous les blogs Mode, Art & Design
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

Blog de l'association caritative FITIA, fondée à Madagascar par Mme Mialy Rajoelina Razakandisa

Publicité

L'association Fitia: actions aux 67h sud, le 28 septembre 2012

Photo 2

D'AUTRES PHOTOS EN CLIQUANT ICI

 

28 Septambra 2012. Tao aminy EPP 67 Ha atsimo no nosafidianan’ny Fikambanana Fitia, hanatanterahana fizaham-pahasalamana maimaim-poana.

11 no isan’ireo mpitsabo niara nisalahy tamin’ny Fikambanana. Nahitana "médecins généralistes" miisa 3, mpitsabo nify 1 ary mpitsabo mpanampy 7.

Tamin’ny 6 ora sy sasany maraina dia efa nandamina ny toerana andraisana ireo marary ny tompon’andraikitra  rehetra, ka tamin’ny 8 ora dia efa nanomboka ny fizahana ary tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 4 ora hariva. Nahatratra 315 ireo olona nozahana, ka ny 241 tamin’ireo marary ireo dia nahakasika ny fitsaboana ankapobeny avokoa, fa ny 74 kosa dia nanala nify.

Maro ireo olona no nomena ody kakana teto, ka ireo ankizy no tena maro tamin’izy ireo. Maro ihany koa ireo olona efa nahazo taona no voan’ny tosidrà.

Tsy ireo mponina teny ihany moa no tonga nizaha fahasalamana teny fa ireo rehetra izay nandalo sy ireo mponina avy aminny fonkontany 10 manodidina.

Nisy tamin’ireo tonga ihany koa ireo marary nohon’ny voina nahazo azy. Lehilahy iray nandona olona tamin’ny fiara no nanapa-kevitra nitondra avy hatrany ity olona ity teto.

Tsy hijanona hatreto fa mbola hitohy ity hetsika ity ataon'ny fikambanana Fitia. Satria tokoa ny Soa atao Levenambola.

Publicité
Retour à l'accueil
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article