Blog de l'association caritative FITIA, fondée à Madagascar par Mme Mialy Rajoelina Razakandisa
Par fitia-mialy-rajoelina
CLIQUEZ ICI POUR L'ALBUM PHOTO
Fizaham-pahasalamana maimaim-poana nataon'ny Fikambanana Fitia tao Ambatomaro ( 22 septembre 2012 ).
Olona 261 no notoloran'ny Fikambanana Fitia fizaham-pasalamana maimaim-poana teto amin'ny EPP Ambatomaro ny Asabotsy 22 Septambra 2012.
Tamin'ny 9 ora no nanomboka ny fizahana ka ireo paramètres no noraisina voalohany .(fitempon'ny fo , tension etc ).
Avy eo vao raisin'ireo tena mpitsabo ,arakarakin'ny aretina mahazo.
Nosafidiana manokana ny andro tsenan'ny Mahazo mahabetsaka ireo olona mifamezivezy ,izay tena mila mizaha ny teo-pahasalamana.
Mpitsabo 3 nahitana médècin generalistes 2 sy ny mpitsabo nify 1 ary mpanampy mpitsabo 8.
Maimaim-paona avokoa na ny fizahana na ny fanafody.
Ankoatra ny aretin'ny tosidrà,nahazo ny ankamaroan'ireo monina dia maro tamin'ireo vehivavy no tena voan'ny aretin'ny tosidrà sy ny aretim-bavony.
Ny kohaka mahery sy ny kakana no tena mahazo ireo ankizy.
Niavaka kosa tamin'ny fahamaroan'ireo aretina hatrany an-kibo ny teto Ambatomaro satria nahatratra 6 ireo ankizy nanana fahasamponana hatramin'ny nahaterahany ny tapany maraina fotsiny.
Nitohy hatramin'ny folakandro moa ity hetsika ity izay mbola hitohy any amin'ny faritra hafa indray.
Bilan : 261 no hisan’ny marary voaray
192 medecines générales
69 extractions dentaires
Eclipse Next 2019 - Hébergé par Overblog