Tranoben’ny tanora teo anivon’ny faritra roa tany amin’ny tapany avaratry ny nosy no notoloran’ny fikambanana Fitia sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy connexion internet maimaim-poana ny faha 16 sy ny faha 17 ny volana Novembra 2012 lasa teo.
MAISON DES JEUNES MAHAJANGA – FARITRA BOENY
Natolotry ny fikambanana Fitia, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy dia ny Ministeran’ny tanora sy ny alavoly sy ny Orange Solidarité Mcar ary ny Fondation Orange, tamin’ny fomba ofisialy, ny faha 16 ny volana novembre teo ny connexion internet haut débit maimaim-poana tao amin’ny Tranoben’ny Tanora tao Mahajanga, Faritra Boeny. Tetikasa izay haharitra 3 taona, novolavolain’ny filohan’ny fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina ary novatsian’ny Orange Solidarité Mcar sy Fondation Orange, ara-pitaovana tamin’ny fanomezana solosaina feno sy ny connexion internet. Ny ministeran’ny tanora sy ny alavoly kosa izay nanolotra ny trano ho an’ireo tanora rehetra eto amin’ity faritra ity.
Ho an’ny teto Mahajanga dia ny kaominina an-drenivohitra no hamatsy herinaratra ireo solosaina sy connexion internet ireo. Hisy kosa ny mpanofana manokana na coach multimedia izay hanoro ireo tanora tsy mbola mahafehy tsar any fampiasana ireo fitaovana ireo. Ary afaka ny hampiasa izany maimaim-poana avokoa ireo tanora rehetra ao amin’ity faritra ity, eny fa hatramin’ireo tanora manana fahasembanana, izay nosinganin’ny fikambanana Fitia manokana.
Notsiahivin’ny lehiben’ny Faritra Boeny tamin’ny lahateny fisaorana izay nataony fa be dia be ny zava-tsoa ho azon’ireo tanora amin’ny fananana ireto fitaovana ireto isan’izany ny famoronan-kasa.
Hafatra napetrakin’ny filohan’ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina, izay nentin’ny solotenany tamin’izany moa ny hikojakojana ireto fitaovana ireto, hodimbiasan’ireo zandry aoriana, sy ny hampiasana izany, hanovozam-pahalalana tokoa.
Nanotrona ny fotoana tamin’izany ny Ministry ny Tanora sy ny Alavoly, ny lehiben’ny Faritra Boeny, ny Sekretera jeneralin’ny Fikambanana Fitia, ny Tale jeneralin’ny Fikambanana Orange Solidarité Mcar, ny lehiben’ny distrika Mahajanga 1, ary ny PDS ny tananan’I Mahajanga.
MAISON DES JEUNES MAEVATANANA– FARITRA BETSIBOKA
Ny Tranoben’ny tanora tao Maevatanana, Faritra Betsiboka no tranoben’ny tanora faha 14 notoloran’ny fikambanana Fitia sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy connexion internet haut débit maimaim-poana.
Manana ny lanjany manokana raha ity tranoben’ny tanora eto an-tampo-tananan’I Maevatanana ity satria na dia mbola tsy tonga teto aza ireo fitaovana ireo dia efa amboho-pihaonan’ireo tanora teto amin’ity faritra ity ny teto. Toerana nifampibeazan’izy ireo, nifanoroan’izy ireo ary nialany voly ihany koa.
Toerana nolalovana matetika ity teto Maevatanana ity saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nijanonana ary nanolorana ireto fitaovana ireto.
Fangatahana nataon’ireo tanora teo amin’ity faritra ity ny hanampiana azy ireo amin’ny fikojakojana ireo fitaovana ireo. Isan’ny olana lehibe tsy maintsy sedraina eto amin’ity faritra ity ny mahakasika ny herinaratra. Ka eo indrindra no hiandrasana ny fanohanana avy amin’ireo tompon’andraikitra.
Natokan’ny fikambanana Fitia ho an’ny tanora manokana ity taona 2012 ity raha ny nohamafisin’sekretera jeneralin’ny fikambanana. Mbola niantso ny amin’ny hikojakojana ireo fitaoavana ireo, ireo tompon’andraikitra rehetra nanolotra ireo fitaovana ireo.
FANALANA NIFY MAIMAIM-POANA SY FIZARANA FITAOVANA
Marary miisa 32 no nalana nify maimaim-poana tao amin’ny secteur 7 tao amin’ny La petite plage tao Amborovy. Saika nanala nify mihoatra ny 2 ny ankamaroan’izy ireo, nanararaotra ity hetsika natolotry ny fikambanana Fitia ity. Mpitsabo nify miisa 6, teo anivon’ny Intsitut d’Odonto-stomatologie Tropicale de Madagascar no niara niasa tamin’ny fikambanana Fitia tamin’ity hetsika ity. Vehivavy no tena navitrika nijery ny ativavany teo amin’ireo mpitsabo ireo, vadina mpanjono izay saika tsy afaka manara-maso ny fahasalamany araka ny tokony ho izy, nohon’ny fitadiavana. Mahatratra hatramin’ny 1 alina Ar ny fanalana nify iray any amin’ny faritra Boeny.
Natoro ireo mponina nandritra ny hetsika ny fomba fiborosiana nify sy fanadiovana ary ny fikojakojana ny ativava. Ary nozaraina borosinify sy dentifrice tsirairay avy izy ireo, ankoatra ny fanafody fampitsaharana ny fanaintainana ary fampikatonana ny fery.
Ankoatra izay dia nozaraina fitaovana fampiasa ao an-tokatrano ireto mponina ireto, tahaka ny seaux, cuvettes, lay misy fanafody.
Tsy adinon’ny fikambanana Fitia ny nijery ihany koa ireo ankizy madinika, izay notolorany fitaovam-pianarana tahaka ny cahiers, stylos, gomme, crayons, trousse, règles ary équerre.
Nanotrona izay fotoana izay ny lehiben’ny faritra Boeny sy ireo mpikambana teo anivon’ny fikambanana Fitia, izay nitondra ny hafatra avy tamin’ny filohan’ny fikambanana ho an’ireto mponina ireto.