Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
19 mai 2013 7 19 /05 /mai /2013 19:02

COMMUNIQUE DE PRESSE


L' ASSOCIATION FITIA A SOAVINANDRIANA POUR L’INAUGURATION DU CENTRE D’ACCES INTERNET A HAUT DEBIT (17 Mai 2013)

  HAR 9002

ALBUM DE PHOTOGRAPHIES ICI


Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 17 Mai 2013 teo, tany Soavinandriana Itasy, distrikan’i Soavinandriana ao amin’ny faritra Itasy, ny ivotoerana natokana ho an’ireo tanora, hahazoany mampiasa maimaim-poana ny « internet haut débit ». Fiaraha-miasa teo amin’ny Fikambanana Fitia, sy ny  Orange Solidarité Madagascar ary ny Ministeran’ny tanora ny sy ala voly no nahatontosana izany.

 

HAR 8899

 

Solosaina 4, efa misy internet haingam-pandeha, miaraka amin’ireo fitaovana sy kojakoja rehetra mifanahaka amin’izany, tahaka ny latabatra sy ny seza  no natolotra tamin’izany.

Ity Centre d’accès internet ity no faha-19 natolotry ny Fikambanana Fitia sy ireo mpiara-miasa taminy.

Natao hanampiana ireo tanora, indrindra indrindra, izay isan’ny tena tsinjovin’ny fikambanana, ary namaritany tanjona manokana tao anatin’ny tetikasa izay niatomboka ny taona 2012 teo, hamatsiana “connexion internet” maimaim-poana ny tranoben’ny tanora isaky ny faritra 22.

Saika tsy mahafantatra ny atao hoe internet, ary tsy mbola nikitika na nampiasa solosaina ny anakamaroan’ireo tanora ao amin’ity faritra ity.


HAR 8940

Fanirian’ny Fikambanana Fitia, ny hampiasain’ireo tanora araka ny tokony izy ireo fitaovana rehetra omena azy ireo. Mba ho tena fikarohana sy ho amin’ny fianarana tokoa, ka hampitombo ny fahalalana no ampiasana izany. nisongadina nandritra ny lahateny, namakiana ny hafatra avy tamin-dRamatoa Mialy RAZAKANDISA RAJOELINA, Filohan’ny Fikambanana izany.


HAR 9048

Tompon’andraikitra maro no nanome voninahitra ny lanonana, ireo mpikambana isan-tsokajiny teo anivon’ny Fikambanana Fitia, notarihin’ny Sekretera Jeneraliny, ny filohan’ny Fikambanana Orange Solidarité Madagascar, ny solotenan’ny Ministeran’ny tanora sy ny alavoly ary ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tao an-toerana.

Partager cet article
Repost0

commentaires