Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog

Présentation

  • : Le blog de fitia-madagascar.over-blog.net
  • Le blog de fitia-madagascar.over-blog.net
  • : Blog de l'association caritative FITIA, fondée à Madagascar par Mme Mialy Rajoelina Razakandisa
  • Contact

Recherche

Archives

Liens

11 octobre 2012 4 11 /10 /octobre /2012 19:31

CONNEXION INTERNET TAO AMIN’NY MAISON DES JEUNES ANTALAHA

10-OCTOBRE-2012-INTERNET-ANTALAHA 3002ALBUM PHOTO

Isan’ny tanjon’ny Fikambanana Fitia amin’ity taona 2012 ity ny hanampy ny tanora. Isan’ny tsara vintana amin’izany ny tanora ao amin’ny Faritra Sava tamin’ny alalan’ny fahazoana « accès internet haut débit ». Tao amin’ny « Maison des Jeunes » ao Antalaha no nametrahana izany tetikasa novolavolain’ny Fikambanana Fitia izany. Fiaraha-miasa tamin’ny « Orange Solidarité Madagascar » no nanatontosana izany ny alarobia 10 Okotobra 2012.

« Fitaovana hoenti-mamokatra ho an’ny firenena izao fametrahana ny tetikasa izao. Hanovo fahalalana sy hitovy amin’ireo tanora rehetra maneran-tany ny tanora eto amin’ny Faritra Sava”, araka ny lahatenin’i VELONTSARAFENO Cyprien, Talen’ny kabinetran’ny Minisiteran’ny Tanora. Fanentanana ireo tanora mba hazoto hianatra “internet”, sy hifandray amin’ny tanora eran’izao tontolo izao kosa no nambaran’i Abdillah, lehiben’ny Faritra Sava.

“Orinasa tompo’andraikitra sady manao ny asa sosialy rehetra ny Orange. Ny Fikambanana Fitia no namolavola ny tetikasa ary tsy nisalasala izahay namaly ny antso. Tanjona ny hametrahana izany manerana ny Maison des jeunes isaky ny faritra 22. Faha-12 nahazo anjara ny faritra Sava”, hoy kosa Randriambeloma Josie, avy amin’ny orinasa Orange.

“Antalaha no hisolo tena ny Faritra Sava. Eto no nahazo ny “connexion internet” voalohany amin’ny tetikasa tapany faharoa. Hisantaranareo ny fivoarana eran-tany izao. Afaka miray sy mifandray amin’ny tanora Malagasy hafa sy hafa firenena ihany koa ny tanora eto amin’ny Faritra Sava. Natao izao mba ahafafehezan’ny tanora ny teknolojia avo lenta. Tsy maintsy mifanampy isika rehetra mba ahasoa ny mpiara-belona. Tanora liam-pivoarana, tia mikajy fandrosoana, enga anie hiroborobo ny fahalalana sy fahaizana ary hanandratra avo ny faritra Sava sy Madagasikara ianareo tanora”, araka ny fanentanana sy hafatra nataon’i Mialy Rajoelina, nandritra ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy izao “connexion internet” Izao.

“Faly izahay fa izao fa hitondra fandrosoana sy fivoarana lehibe ho an’ny tanora eto Antalaha ny fanomezana “connexion” avy amin’ny Fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange Solidarité Madagascar. Tsy ho tara amin’ny zava-misy manerana izao tontolo izao izahay tanora”, hoy kosa Richardin Nivomanana, filohan’ny tanora ao Antalaha.

Partager cet article

Repost 0
Published by fitia-mialy-rajoelina - dans Mialy Rajoelina Actions Fitia
commenter cet article

commentaires