Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
19 mars 2020 4 19 /03 /mars /2020 08:05
Mialy Rajoelina, 08.03.2020. Kabariny tany Toliara

Akory aby li e !

 

Tompokavy sy Tompokolahy,

Tonga ilay andro nandrasan-tsika hatramin'ny ela,

Tonga ity ilay fotoana mana-danja manokana ilay fotoana ifanaovan-tsika.

Koa tsotra ny teniko: miarahaba ny vehivavy malagasy rehetra tsy ankanavaka aho. Arahabaina nahatra izao fetin'ny vehivavy izao.

 

Miarahaba koa anareo rehetra Manam-boninahitra manatrika eto, ianareo Mpikambana ao amin'ny governemanta, ianareo Mpiara-miombon'antoka, ianareo Parlementera, ianareo rehetra tonga manome voninahitra an'izao fotoana izao.

Voalohanteny dia fankasitrahana ho anareo vehivavin'ny 8 marsa, izay nanatanteraka ny latro teo. Nahafinaritra tokoa ny loko marevaka sy ny endrika feno tsiky nasehoanareo tao anatin'ny afaliana.

Vory lanona eto isika vehivavy tsy anamarika fotsiny ity andro natokana ho antsika ity na anamarika ny fahatongavana eto fa anton'ny fihaonan-dehiben-tsika izao ny ampiray ny fon-tsika, ny anambatra ny feon-tsika mba aneho fa vonona ifandray tànana isika, vonona iara-mientana ho a'ny ho avy tsaratsara kokoa ho an'ny Firenentsika.

 

Ho an'ity taona ity, ny lohahevitra nosafidiana dia hoe : « Izaho sy Ianao, isika rehetra miombin’andraikitra hisitrahan’ny vehivavy ny zony ».

Ry vehivavy: sahia mijoro, andao hijoro. Adidin-tsika rehetra izany, indrindra adidin-tsika vehivavy izay itodiako manokana eto.

Moa va tsy isika no manome aina? Eny, amin'ny fomba samihafa sy lafin-javatra isan-karazany. Tsy isika koa ve ilay tsy mahita fitsaharana, tsy mety afa-po raha tsy manome ny tsara indrindra any amintsika.

Ananan-tsika ny fahaizana; ananan-tsika ny finoana; ananan-tsika ny risi-po koa anjaran-tsika no manamarika ny Tantara.

 

Mamelà ahy hitodika voalohany aminareo vehivavy mpikambana ao amin'ny governemanta izay manatrika eto. Masina ny asanareo, satria ianareo no manosika ny vehivavy malagasy ho any amin'ny fanabeazana. Lehibe sarobidy loatra ny andraikitra sahaninareo koa mamporisika anareo aho hanao ny ezaka rehetra mba hisian'ny fiovana azo tsapain-tànana.

Tombontsoa lehibe ny fisianareo vehivavy minisitra. Fantatray loatra fa ny vehivavy rehefa mitantana dia tsy mitsitsy aina, miasa mafy, manao sorona ny tenany mihitsy aza.

Toa ny reny tsy mikely soroka fa manome ny tsara indrindra mba hanatanterahana vina maro. Miandrandra anareo ny vehivavy malagasy, mitodika any aminareo ny mason'izy ireo.

Eo ampelatànanareo ny fahefana hanova zavatra, hanova ny toe-tsaina ary hanatsara ny fomba fijery samihafa. Andraikitra lehibe tokoa izany ary mila fikirizana sy finoana tsy azo ozongozonina. Matoky ny finiavananareo izahay; matoky fa manao mihoatra ianareo, eny mahavita mihoatra ireo lehilahy minisitra mihitsy aza.

 

Valo mirahavavy ianareo no mpikambana ao amin'ny governemanta, ianareo rahavavy, zoky ary zandry izay anankinanay ireto andraikitra manaraka ireto :

 

Ramatoa Narimamy Lucien Irma, Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampivoaran'ny Vehivavy;

Ramatoa Rakotovelomanantsoa Vohary, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana;

Ramatoa Rakotomalala Lantosoa, Ministry ny Indositria, ny Varotra sy ny Asa tànana;

Ramatoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, Ministry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra;

Ramatoa Andriamanana Rijasoa Josoa, Ministry ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana teknika ary Fampiofanana arak'asa;

Ramatoa Assoumacou Elia Béatrice, Ministry ny Fampianarana ambony sy ny Fikaroana siantifika;

Ramatoa Ranampy Gisèle, Ministry ny Asa, ny Fampananan'Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy;

Ramatoa Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, Ministry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina, izay niala tsiny.

 

Andriamatoa Filoha,

Mamelà ahy ampita ahy afatra kely ho an'ireto vehivavy Minisitra ireto. Afatra avy amin'ny vehivavy malagasy.

Raha mikasika ny fiainan'ny mponina, dia zava-dehibe ny fanatsarana ny fepetra iainan-tsika sy ny fiarovana ireo zana-tsika vavy indrindra ny fiarovana azy ireo amin'ny fampanambadiana ankaterana na aloha loatra.

Dingana iray lehibe ho antsika vehivavy ny fandaniana ny lalàna mifehy ny Ady amin'ny herisetra, ny 13 Desambra 2019 teo.

Tsy azon-tsika ekena intsony ny mbola hisian'ny herisetra atao amin'ny vehivavy eto amin'ny tanin-tsika. Ilaina ny fanamafisana ny fanampiana ireo izay mbola miaina ao anatina zavatra toy izany, toa ny fanomezana fampiofanana izay afahan'izy ireo miasa sy mahaleotena ara-bola no sady mitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana.

 

Eto koa aho dia manararaotra hiresaka ny fomba samihafa. Misy, ohatra, ny fomban-tany izay manilika sy mampitoka-monina ireo tovovavy rehefa tonga fadi-bolana. Iray amin'ireo fomba izay manitsakitsaka ny zo fototra maha olona izany indrindra fa ny zon'ny ankizy vavy.

Mikasika ny sehatry ny fanadiovana sy ny fidiovana kosa, dia tsy misy ny aina raha tsy misy ny rano. Fanta-tsika ny ezaka mbola ho atao mba hanamorana ny fahazoana rano madio sy ny hanatsarana ny fahadiovana eny amin'ny tontolo iainan-tsika. Satria ny fahasalaman-tsika sy ny fahasalaman'ny zanan-tsika no voakasika tanteraka ao anatin'izany. Mila mifampitaiza amin'ny fahadiovana isika rehetra mba izany ny ho tahafin'ny zanan-tsika.

 

Ny vehivavy malagasy dia efa hita ankehitriny fa maro no miditra eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ka mila tohanana eo amin'ny tetik'asany sy ny fikaroana lalam-bola izay ataony. Eto ihany koa ny fahaizan'ny mpanao asa tànana malagasy izay efa hita fa manan-talenta, ary mendrika ho hitan'izao tontolo izao izany. Ka miandrandra ny tompon'andraikitra mba hanokatra ny làlana ary ihany koa mba hanampy sy hanaraka ny dingana ho atrehin'izy ireo. Ny tanjona dia ny mba hanara-penitra ny fomba famokarana sy mba ho matihanina eo anivon'ny tsena iraisam-pirenena.

 

Tsy ny sehatry ny asa tànana ihany no afaka hampisongadina an'i Madagasikara fa manana ny kolontsaina mampiavaka antsika ihany koa isika. Mila vohizina izany mba ho reharehan’ny Malagasy rehetra. Mila hatosika sy hampiana ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny zavakanto, indrindra fa ireo vehivavy mba ho sangany ka ho Ambasadaoron’ny Malagasy manerana izao tontolo izao.

 

Ankehitriny, dia miaina tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana isika, kanefa mila malina sy mailo amin’ny fomba fampiasana ny tambazotra sosialy. Tsy tokony atao kilalao velively ny fampiasana an’izy ireny fa fitaovana tokony hoentina mitaiza sy manabe, hifampizarana hevitra tsara. Fitaovana tokony ampiasaina ao anaty fanajana ny hafa sy ny tena fa tsy entina hanaovana karazana fanararaotana. Zava-dehibe ny fanentanana hoentin-manarina an’izany, mba ahatonga ny Firenentsika ho modely amin’ny lafin’ny fifandraisana.

 

Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy koa ny fiarovana ny tontolo iainana satria hafahana mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka faramandimby, izay iarahantsika mahalala fa ady atrehin’izao tontolo izao. Ny ain’ny olombelona sy ny zava-manan’aina rehetra no tsinjovina ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ary mahavelom-bolo fa efa mihabetsaka ny vehivavy tanora miditra an-tsehatra sy tonga saina ankehitriny. Andao tohizana ny ezaka efa nataontsika ka hamafisina ny hetsika hamerenana an’i Madagasikara ho maitso.

 

Ny Fanabeazana no fanalahidin’ny fampandrosoana ny Firenena iray. Satria ny fahafahana dia azo avy amin’ny fahalalàna. Izany no tiantsika hampitaina amin’ny zanan-tsika, indrindra moa fa amin’ny zanan-tsika vavy ary zon’izy ireo tanteraka ny mandrato fianarana. Marihiko fa ny manabe zazalahy dia manabe olon-tokana, fa ny manabe zazavavy kosa dia manabe ny firenena iray manontolo.

Ny tontolon’ny Fanabeazana no hiankinan’ny andraikitra sarobidy dia ny famolavolana ny toe-tsaina, ny fahaizana mitondra tena ao anatin’ny fiarahamonina, ka ho tonga olom-pirenena vanona, afaka hiatrika ny fiainana sy ny ho avy. Mba hahatongavana amin’izany anefa dia tsara raha jerena ny fomba hanatsarana ny fepetra hianaran’ny ankizy amin’izao fotoana izao : ny fametrahana ny “cantine scolaire” mba hanampiana ny ray aman-dreny sy ho fanohanana ankizy, fa eo ihany koa ny fanatsarana ny fotodrafitr'asa sy ny praograma fampianarana mba ahafahan’izy ireo mianatra ao anatina fepetra tsara.

 

Maninona moa raha haverina hampianarana any an-tsekoly indray ny fanabeazana ara-sivika ny ankizy ? Raisiko ho ohatra ny zavatra miseho any Danemark izay voatondro ho firenena tsarahonenana indrindra eran-tany tamin’ny taona 2019. Vao kely ny ankizy dia taizàna amin’ny fahaizana manaja tena sy manaja ny hafa ary ny fahaizana miaina ao anatin'ny fiarahamonina. Ny soa fianatra hoy ny fahendrentsika malagasy!

Eo amin’ny tontolon’ny fampianarana Ambaratonga ambony, dia fantantsika ny fivoarana rehetra mila ho entina. Ny tanora Malagasy dia manana fahavononana sy manana fahaizana ka mila hatosika izy ireo mba ho afaka hanome ny tsara indrindra ao aminy. Mino aho fa raha hamafisina ny praograma eny amin’ny Oniversite dia hanana tanora mamiratra isika mandritra ny fianarana izay ataony sy rehefa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.

 

Ny sehatry ny asa anefa matetika dia ahitana ny tsy fitovian-jo eo “amin’ny lahy sy ny vavy”. Mbola maro koa ny ezaka mila atao eo amin’ny fanajana ny zon’ny vehivavy miasa : tafiditra ao anatin’izany ny “congé de maternité” sy ny ora natokana ho an’ireo reny mitaiza kely. Mila jerena akaiky ihany koa ary harovana mihitsy azà ireo ankizy tsy ampy taona izay terena miasa. « Izaho sy Ianao, isika rehetra miombin’andraikitra hisitrahan’ny vehivavy ny zony ». Tsarovy ary tano ao am-po mba tsy ho adino io lohahevitra lehibe vohizintsika io.

 

Ry vehivavy Malagasy,

An-tsaiko mandrakariva ny olana sedrainareo, ireo toe-javatra miteraka fitaintainana ao amin’ny andavan’androm-piainanareo, ao ihany koa izay mety ho fanirianareo sy izay antenainareo. Izany rehetra izany dia tsapako, reko ary hitan’ny masoko. Tiako hifampizarana aminareo eto androany fa nandritra ny fitsidihana ireo traboina farany teo, dia tena nahakasika ny foko tanteraka ny olana nianjady tamin’ireo vehivavy any amin’ny Faritra Boeny sy Alaotra Mangoro.

Hitako taratra teny amin’ny masony ny ahiahy. Potika tanteraka ny trano fonenany, simba ny fambolena, very na maty ny biby fiompy. Tsy nisy noraisina intsony. Tena mafy no nanjo azy ireo ! Nefa na dia teo aza izany tranga nampalahelo izany dia nitraka hatrany izy ireo. Tsapako ny adin-tsaina, ny olana nosedrainy, ny ezaka nataon’izy ireo mba hiatrehana iny tranga iny.

 

Tsapako ihany ny alahelo kanefa tsy maintsy manome toky ny ankizy ihany koa izay mila misakafo sy harovana. Nitondra am-pahanginana ny zioga rehetra ireo vehivavy ireo. Na dia te-hihiaka aza anefa izy ireo dia aleony nampiseho fahamendrehana hatrany. Torak’izany koa ireo vehivavy tany Atsimo.

Tsy maintsy manao izay faraheriny mba hahafahan’ny tokantranony ho tafavoaka na dia teo aza ny hafanana, ny hanoanana, ny harerahana, ny kere... izay maniraka azy ireo handeha an-tongotra an-kilometatra maro mba hahita na dia indraim-bava kely aza.

 

Ry Vehivavy Malagasy,

Tsy misy zavatra mora. Tsarovy fa ny tena fandresena dia refesina amin’ny fahafahantsika miarina rehefa lavo; ny fahafahantsika miatrika zava-tsarotra nefa tsy milavo lefona mihitsy.

Ny faniriko dia hifanome tànana isika mba ifampisintona miaraka hiakatra mba hanorina tontolo kanto kokoa ka ho reharehantsika ny hamela izany ho an’ ny taranaka faramandimbintsika.

 

Amaranako ny fandraisako fitenenana eto dia hindramiko ny tenin’i Ghandi manao hoe : « raha misy fiovana tianao ho hita eo amin’ny tontolo misy anao dia atomboy eo aminao izany fiovana izany ».

Izao aho dia manasa am-pitiavana antsika vehivavy rehetra, sy ireo lehilahy ihany koa, mba hiaraka hitsangana ka haneho ny fihetsika amin'ny fankalazana ny 8 marsa izany nosafidian'ny Firenena Mikambana./.

 

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy - Nivoaka tao amin'ny "La Gazette de la Grande île" ny Alarobia 11 Marsa 2020 ihany koa

Mialy Rajoelina, 08.03.2020. Kabariny tany Toliara

Partager cet article
Repost0

commentaires